<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>769</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Misy toerana voafidy
 Manan-daza lehibe,
 Dia saha saro-bidy,
 Tena mahavokatra e !
 Saha feno fitahiana,
 Misy voka-tsoa erý ;
 Ao no mendrika haniriana
 Saha masina izy ity !

[V2]
 Ny Sekoly Alahady,
 Io no sahanao, ry Ray
 Ny Baiboly no angady
 Hanasoavanao anay ;
 Mahavatra ny Mpamboatra,
 Ka mirobona tokoa ;
 Voakarakara loatra,
 Ka mitombo sy mamoa.

[V3]
 Midadasika ny tany,
 Nefa karakaina koa ;
 Fa ny sahanao ihany
 No tsy manam-paharoa.
 Misy rano tsy mba ritra
 Dia Teny Masinao ;
 Izay toriana eran-tany
 Mikoriana lava izao.

[V4]
 Ny ankizy sesehena
 No mivory eto izao ;
 Ireo no hazo ambolena
 Ao anaty Sahanao,
 Raha mirona mba tohano,
 Raha lavo, ajoroy,
 Zaza osa, ka tantano,
 Mbola kely ka toroy !</lyrics>
<title>Misy toerana voafidy FFPM769</title>
<author>R. Rahoerson</author>
</song>